<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L. Hartsough</author>
<hymn_number>413</hymn_number>
<title>Ry Mpamonjy, Tompo soa FFPM413</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Mpamonjy, Tompo soa !
 Avy izahay izao,
 Mba hanaiky sy hanoa,
 Ka hiverina Aminao,
 Hianao no ranon'aina
 Mahavelona ny fo ;
 Hianao no antenaina
 Mba hanala ny manjo.

[V2]
 Indreto izahay mpanota
 Efa diso taminao,
 Mamonje sy manavota
 Ny fanahinay izao,
 Hianao no mahavonjy
 Izay miankina Aminao ;
 Koa raiso, ry Mpamonjy !
 Ny fifonanay izao.

[V3]
 Ry Jesosy be fitia !
 Mba tantano izahay,
 Fa ho lavo sy hania
 Raha tsy hazoninao.
 Tsy mba misy mety very
 Eo am-pelatananao,
 Fa Aminao no misy hery
 Mahatanjaka ny fo.

[V4]
 Tompo ô ! mba tanteraho
 Izay rehetra mahasoa,
 Ka ny otanay afaho,
 Fa manimba anay tokoa,
 Mampianara anay haniry
 Mba hanao ny sitrakao,
 Hahazoanay ny hery
 Eo am-pelatananao.</lyrics>
</song>